Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa niteny tamin’i Saoly izy hoe: ‘Ho voan’ny ataonao ianao raha mitsipaka lava ny hazo fanindronana’?—Asan’ny Apostoly 26:14.

Nampiasa an’io hazo io ny tantsaha israelita fahiny, mba hibaikoana ny omby nitarika angadinomby. Roa metatra sy sasany eo ho eo ny halavan’ilay hazo, ary misy vy maranitra eo amin’ny lohany. Tsindronina amin’iny ilay omby raha mitady hivilivily, ary mety haratra izy raha mafy loha. Misy vy mitovitovy amin’ny antsy kosa eo amin’ny tendrony ilany amin’ilay hazo. Natao hanesorana fotaka na tanimanga na ahitra miraikitra eo amin’ilay angadinomby izy io.

Natao fitaovam-piadiana koa ny hazo “fanindronan’omby” indraindray. Nahafaty Filistinina 600 tamin’io hazo io, ohatra, i Samgara, mpitsara sy miaramila israelita.—Mpitsara 3:31.

Indraindray koa anefa tsy hazo ara-bakiteny ilay izy, ao amin’ny Baiboly. Nilaza, ohatra, i Solomona Mpanjaka fa toy ny “hazo fanindronana omby” ny tenin’ny olona hendry. Manoro lalana ny namany mantsy ilay olona, izany hoe manampy azy hahay hanapa-kevitra.—Mpitoriteny 12:11.

Inona àry no tian’i Jesosy holazaina rehefa niteny tamin’i Saoly izy mba tsy ‘hitsipaka’ intsony ny “hazo fanindronana”? Nanenjika ny Kristianina i Saoly tamin’izany. Toy ny hoe biby mafy loha izy, ka tsy mety hanitsy ny lalany na dia efa tsindronin’ny tompony aza. Soa ihany fa nanaiky ny tenin’i Jesosy izy ka niova, ary lasa apostoly.

Inona no nataon’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany, mba hahalalana ora rehefa alina ny andro?

Tamin’ny alalan’ny aloky ny masoandro no nahalalan’izy ireo ny ora nandritra ny andro, ary nisy fitaovana nampiasainy tamin’izany. Nampiasa famantaranandro misy rano kosa ry zareo rehefa maloka ny andro na rehefa alina. Nanana azy io koa ny Ejipsianina, Persianina, Grika, ary Romanina.

Resahin’ny Rakipahalalana Jiosy (anglisy) fa miovaova arakaraka ny paoziny ny anaran’io famantaranandro io, ao amin’ireo boky jiosy atao hoe Mishnah sy Talmoda. Samy nisy rano nitete tsikelikely anefa izy rehetra, na inona na inona paoziny.

Ahoana izany? Misy zavatra roa mitovitovy amin’ny zinga eo amin’ilay famantaranandro. Feno rano ny iray, ary mitete tsikelikely ao amin’ilay faharoa ilay izy. Samy misy ora misoratra eo amin’ireo zinga ireo, ka izay ora mifanitsy amin’ilay rano no ora marina.

Nampiasa an’io famantaranandro io koa ny miaramila romanina, rehefa niambina isan’alina. Inefatra nisolo ny mpiambina nandritra ny alina. Nisy anjomara notsofina rehefa tonga ny ora tokony hiovan’ny mpiambina. Vao mandre an’ilay anjomara ny olona dia fantany hoe amin’ny firy izay ora izay.—Marka 13:35.