Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Fomba Fampianatra Mandaitra Indrindra?

Inona no Fomba Fampianatra Mandaitra Indrindra?

Inona no Fomba Fampianatra Mandaitra Indrindra?

“Aoka ho ao am-ponao ireto teny andidiako anao anio ireto. Dia alenteho tsikelikely ao an-tsain’ny zanakao izany ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha.”—DEOTERONOMIA 6:6, 7.

METY ho tsapan’ny ray aman-dreny indraindray fa mavesatra loatra ny andraikiny hampiofana ny zanany. Rehefa mangataka torohevitra anefa izy ireo, dia vao mainka mikorontana ny sainy satria maro samy hafa izy ireny. Maika erỳ matetika ny havany sy ny namany manome soso-kevitra. Misy torohevitra avoaka tsy tapaka koa ao amin’ny boky sy gazetiboky ary Internet, nefa matetika no mifanipaka izy ireny.

Tsy toy izany kosa ny Baiboly. Misy torohevitra azo itokisana momba izay hampianarina ny ankizy ao amin’izy io, ary misy fomba mandaitra hampianarana azy ireo koa. Resahin’ilay andinin-teny etsy ambony fa tokony hitady fomba iresahana amin’ny zanany momba an’Andriamanitra ny ray aman-dreny isan’andro. Ireto misy soso-kevitra efatra nanampy ray aman-dreny maro hampianatra ny zanany.

1. Makà lesona avy amin’ny zavaboary. Hoy ny apostoly Paoly: “Ny [toetran’Andriamanitra] tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.” (Romanina 1:20) Ahoana àry no hanampian’ny ray aman-dreny ny zanany hahatakatra hoe tena misy Andriamanitra? Tokony hasainy handinika ny zavaboary izy ireo, ary hamantatra ny toetran’Andriamanitra hita avy amin’izy ireny.

Nanao an’izany i Jesosy rehefa nampianatra ny mpianany. Hoy izy indray mandeha: “Jereo tsara ny voro-manidina: Tsy mba mamafy na mijinja na manangona ho ao an-trano fitehirizam-bokatra ireny, nefa ny Rainareo izay any an-danitra manome sakafo azy. Tsy sarobidy noho ireny ve ianareo?” (Matio 6:26) Nasongadin’i Jesosy teo fa be fitiavana sy mangoraka i Jehovah. Nampiany koa anefa izy ireo handinika ny fomba nanehoan’Andriamanitra an’ireo toetrany ireo tamin’ny zanany.

Niresaka momba ny fahaizana nomen’Andriamanitra ny vitsika koa i Solomona, mpanjaka hendry, ary nisy lesona lehibe nasongadiny tamin’izany. Hoy izy: “Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay kamo. Diniho ny fanaony ka mba hendre. Na dia tsy manana mpitondra na mpiadidy na mpitarika aza izy, dia manangona ny sakafony izy rehefa fahavaratra, ary manangona ny haniny mandritra ny fijinjana.” (Ohabolana 6:6-8) Te hilaza i Solomona teo fa tena ilaina ny manana tanjona tsara sy mampiasa ny hery mba hanatratrarana an’izany. Mandaitra tokoa izany fomba fampianatra izany!

Raha te hahay hampianatra toa an’i Jesosy sy Solomona àry ianareo, dia izao atao: 1) Anontanio ny zanakareo hoe inona no zavamaniry sy biby tiany. 2) Fantaro tsara ireo zavamaniry sy biby ireo. 3) Makà lesona momba an’Andriamanitra avy amin’ireo.

2. Tahafo izay nataon’i Jesosy tamin’ny olona nampianariny. I Jesosy no olona nanan-javatra sarobidy indrindra holazaina hatramin’izay. Nametraka fanontaniana foana anefa izy, satria tena tiany ho fantatra izay tao am-po sy tao an-tsain’ireo olona nampianariny. (Matio 17:24, 25; Marka 8:27-29) Maro koa ny lesona sarobidy tokony hampianarin’ny ray aman-dreny ny zanany. Tokony hanahaka an’i Jesosy anefa izy ireo raha te hahomby, ka hampirisika azy hilaza izay ao am-pony.

Ahoana anefa raha sarotra tenenina na ela fandray zavatra ny ankizy? Diniho izay nataon’i Jesosy tamin’ny apostoliny. Nifanditra matetika izy ireo sady ela vao nahatakatra hoe tena tsara ny manetry tena. Nanam-paharetana tamin’izy ireo anefa i Jesosy, ka namerimberina nilaza fa ilaina ny manetry tena. (Marka 9:33, 34; Lioka 9:46-48; 22:24, 25) Manahaka an’i Jesosy àry ny ray aman-dreny raha manam-paharetana rehefa manitsy ny zanany. Hamerimberina hanitsy azy izy ireo, raha ilaina izany, mandra-pahatakany hoe tena mila miova izy. *

3. Aoka ianareo ho modely. Tokony hosaintsainin’ny ray aman-dreny ity tenin’i Paoly ho an’ny Kristianina tany Roma ity: “Ianao izay mampianatra ny sasany io, mba mampianatra ny tenanao ve ianao? Ianao izay mitory hoe: ‘Aza mangalatra’, mangalatra ihany ve ianao?”—Romanina 2:21.

Tena zava-dehibe ny hisaintsainana an’izany, satria izay ataon’ny ray aman-dreny no misy heriny kokoa amin’ny ankizy noho izay teneniny. Azo antoka àry fa hankatoavin’ny zanany ny ray aman-dreny raha tsy mpitari-bato vilam-bava.

4. Ampianaro dieny mbola kely izy. Tsara laza teo amin’ny fiaraha-monina i Timoty, ilay misionera niaraka tamin’i Paoly. (Asan’ny Apostoly 16:1, 2) “Mbola zazakely” mantsy izy dia efa nampianarina ny “Soratra Masina.” Sady namaky ny Soratra Masina taminy ny reniny sy ny renibeny no nanampy azy handinika tsara ny fahamarinana voalaza ao.—2 Timoty 1:5; 3:14, 15.

Fanampiana ho anareo

Maro be ny boky avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanampiana ny ray aman-dreny hampianatra ny zanany ny marina momba an’Andriamanitra. Natao ho an’ny ankizy mihitsy ny boky sasany. Misy kosa natao hanampiana ny ray aman-dreny sy ny tanora hifampiresaka tsara foana. *

Tsy maintsy mahay ny valin’ireo fanontaniana sarotra mety hapetraky ny zanany anefa aloha ny ray aman-dreny, vao ho afaka hampianatra azy ireo. Ahoana, ohatra, no hamalianareo an’ireto: Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana? Inona no fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany? Aiza no misy ny maty? Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anareo hahalala ny valin’ireo sy ny hafa koa. Hifandray akaiky amin’Andriamanitra ianareo mianakavy amin’izay.—Jakoba 4:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Midika hoe mamerimberina matetika ilay teny hebreo nadika hoe “alenteho tsikelikely” ao amin’ny Deoteronomia 6:7.

^ feh. 15 Azo ampiasaina hanampiana ny ankizikely ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe, izay manasongadina ny fampianaran’i Jesosy Kristy, na Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, izay mampiasa teny tsotra hampitana lesona lehibe. Azo ampiasaina hanampiana ny tanora kosa ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky 1 sy 2.