Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mpandimby An’i Masindahy Piera” ve ny Papa?

“Mpandimby An’i Masindahy Piera” ve ny Papa?

“Mpandimby An’i Masindahy Piera” ve ny Papa?

NANORATRA taratasy ho an’ny evekan’ny Limbourg any Alemaina ny Papa Jean-Paul II, tamin’ny 2002. Nanova ny fanapahan-kevitr’ilay eveka momba ny resaka fanalan-jaza izy tao. Nilaza izy teo am-piandohan’ilay taratasy fa andraikiny ny manao izay “hahasambatra sy hampiray saina ny eglizy rehetra, mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jesosy Kristy.” Afaka manova ny fanapahan-kevitr’ilay eveka, hono, izy satria “mpandimby an’i Masindahy Piera” ny papa.

Milaza ny Katolika Romanina fa “i Masindahy Piera no nofidin’i Kristy ho lehiben’ny apostoly rehetra.” Milaza koa ny Eglizy Katolika fa “efa niteny i Kristy hoe tokony hisy mpandimby foana i Piera amin’ny asany, ka ny eveka romanina no mpandimby azy.”—Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy, 2003), Boky Faha-11, pejy 495-496.

Tena zava-dehibe ireo teny ireo. Efa nodinihinao ve raha tena marina ireo? Eritrereto ny valin’ireto: 1) Milaza koa ve ny Baiboly fa i Petera no papa voalohany? 2) Ahoana no niandohan’ny papa? 3) Hita amin’ny fitondran-tenan’ny papa sy ny fampianarany ve fa mpandimby an’i Petera tokoa izy ireo?

I Petera ve no papa voalohany?

Hoy i Jesosy, ao amin’ny Matio 16:18: “Ianao no Petera, ary eo ambonin’ity vatolampy ity no hanorenako ny fiangonako.” Io foana no nanaporofoan’ny Katolika fa i Petera no fototra iorenan’ny eglizy. Voasoratra amin’ny teny latinina ao amin’ny Eglizin’i Masindahy Piera, any Roma, mihitsy aza izy io.

Rain’ny Eglizy nohajaina fatratra i Augustin, ary nino izy taloha fa i Petera no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe vatolampy iorenan’ny fiangonana. Niova hevitra anefa izy rehefa ho faty. Nilaza izy ao amin’ilay boky hoe Nanatsoaka ny Teniny i Masindahy Augustin fa tsy i Petera, fa i Jesosy ilay vatolampy. *

Marina fa misongadina be ao amin’ny Filazantsara i Petera. Nifidy an’i Jaona sy Jakoba ary Petera, ohatra, i Jesosy mba hiaraka taminy tamin’ny fotoan-dehibe sasany. (Marka 5:37, 38; 9:2; 14:33) Nampiandraiketin’i Jesosy an’i Petera koa ny “lakilen’ny fanjakan’ny lanitra.” Nampiasa azy io izy mba hahazoan’ny olona an’ilay Fanjakana. Ho an’ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy aloha, avy eo ny Samaritanina, ary farany ny hafa firenena. (Matio 16:19; Asan’ny Apostoly 2:5, 41; 8:14-17; 10:45) I Petera koa matetika no nisolo tena an’ireo apostoly, noho izy nahay nifandray tamin’olona. (Asan’ny Apostoly 1:15; 2:14) Midika ve anefa izany fa izy no filohan’ny fiangonana voalohany?

Nilaza i Paoly fa nomena fahefana ho tonga “apostolin’ny voafora” i Petera. (Galatianina 2:8) Raha jerena anefa ny teny manodidina, dia tsy niteny mihitsy i Paoly hoe i Petera no filohan’ny fiangonana. Nilaza ny andraikitr’i Petera hitory tamin’ny Jiosy kosa izy.

Nomena andraikitra lehibe tokoa àry i Petera. Tsy milaza mihitsy anefa ny Baiboly hoe izy no filohan’ny fiangonana ka nanapa-kevitra ho an’ny mpianatra rehetra. ‘Apostoly’ sy “anti-panahy” fotsiny no nilazany ny tenany, dia izay.—1 Petera 1:1; 5:1.

Ahoana no niandohan’ny papa?

Oviana ary ahoana no niandohan’ilay hoe misy papa mifandimby ka izy no ambony indrindra? Tamin’ny andron’ny apostoly no nisy voalohany ny olona te ho ambony noho ny mpiara-mivavaka aminy. Ahoana anefa no niheveran’ny apostoly an’izany?

Ny apostoly Petera mihitsy no nilaza tamin’ireo niandraikitra ny fiangonana mba ‘tsy hanjakazaka amin’ny lovan’Andriamanitra’, fa hanetry tena eo amin’izy samy izy. (1 Petera 5:1-5) Efa nampitandrina ny apostoly Paoly fa hisy olona ‘hanolana hevi-teny’ eo anivon’ny fiangonana, “mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.” (Asan’ny Apostoly 20:30) Niteny mafy an’i Diotrefa tamin’ny alalan’ny taratasy koa ny apostoly Jaona, tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany. “Te ho voalohany” tao amin’ny fiangonana mantsy io mpianatra io. (3 Jaona 9) Ireo torohevitra ireo àry no mba nisakana vetivety ny olona tsy hitady toerana ambony.—2 Tesalonianina 2:3-8.

Vao maty kelikely ny apostoly farany, dia efa nisy indray ny olona nanao ny tenany ho ambony. Hoy ny boky Ny Tantaran’ny Fivavahana Kristianina Navoaka Tany Cambridge (anglisy): “Mety ho tsy nisy eveka tokana ‘nitana toerana ambony’ mihitsy tany Roma, talohan’ny tapatapaky ny taonjato faharoa.” Tamin’ny taonjato fahatelo anefa, dia nanendry ny tenany ho ambony indrindra tany amin’ny eglizy sasany ny evekan’i Roma. * Nisy nanamafy an’izany heviny izany, ka nanao lisitr’izay handimby an’i Petera.

Tsy nanohana ny hevitr’ilay eveka anefa ilay lisitra, satria tsy voamarina ny anarana sasany tao. Tsy vitan’izay fa i Petera koa no natao voalohany tao amin’ilay lisitra. Marina fa nitory tany Roma izy, araka ny boky tsy ara-pivavahana sasany tamin’ny taonjato voalohany sy faharoa. Tsy misy porofo mihitsy anefa hoe i Petera no filohan’ny fiangonana tany.

Tsy filohan’ny fiangonana tany Roma mihitsy i Petera raha ny taratasin’i Paoly ho an’ny Romanina fotsiny no jerena. Nitanisa anarana Kristianina maro be izy tao, kanefa tsy nanonona an’i Petera mihitsy. (Romanina 16:1-23) Raha tena filohan’ny fiangonana tokoa i Petera, i Paoly ve dia hinia tsy hiraharaha azy na hanadino ny anarany?

Mariho koa fa tamin’i Petera nanoratra ny taratasiny voalohany, dia nanoratra ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty avy tany Roma i Paoly. Nanonona an’i Roma tsara i Paoly, nefa tsy niresaka an’i Petera mihitsy. Taratasy enina no nosoratany avy tany Roma, kanefa tsy nisy resaka momba an’i Petera mihitsy.

Nanoratra taratasy telo sy ny bokin’ny Apokalypsy koa i Jaona, 30 taona teo ho eo taorian’ny nanoratan’i Paoly ny taratasiny. Tsy nilaza mihitsy anefa i Jaona tao amin’ireo hoe ny fiangonana tany Roma no ambony indrindra. Tsy nilaza koa izy hoe nisy olona iray filohan’ny eglizy nanana toerana ambony ary lazaina fa mpandimby an’i Petera. Tsy nanao ny tenany ho eveka voalohany tao amin’ny fiangonan’i Roma mihitsy àry i Petera, satria samy tsy manaporofo izany na ny Baiboly na ny tantara.

Manao ahoana ny fitondran-tenany sy fampianarany?

Tokony hanahaka ny fanao sy fampianaran’i Petera sy Kristy ny olona milaza fa “mpandimby an’i Masindahy Piera” sy “Solontenan’i Kristy.” Tsy nanaiky hohindrahindrain’ny mpiray finoana taminy, ohatra, i Petera. Tsy nanaiky hantsoina tamin’ny teny manaja be mihitsy izy. (Asan’ny Apostoly 10:25, 26) I Jesosy indray nilaza fa tonga mba hanompo, fa tsy hotompoina. (Matio 20:28) Ary ireo papa? Tsy te halaza sy tsy te homena anaram-boninahitra ve izy ireo? Tsy tia mampisehoseho ny harenany sy ny fahefany ve izy ireo?

Tsara fitondran-tena sy nitandro fihavanana i Petera sy Kristy. Tsy toy izany anefa ireo papa. Diniho, ohatra, izay lazain’ny Rakibolana Momba ny Teolojia sy ny Eglizy (alemà) momba ny Papa Léon Fahafolo, hoe: “Nanao politika be i Léon Fahafolo, niangatra tamin’ny havany rehefa nanao raharaham-barotra, ary nanaram-po be tamin’ny fahafinaretana teo amin’izao tontolo izao. Nataony tsirambina àry ny andraikiny ara-panahy, izay tena zava-dehibe.” Nilaza i Karl Amon, mompera sady mpampianatra ny tantaran’ny eglizy, fa nisy tatitra efa voamarina tsara nilaza hoe “mpitady tombony, mpanampatra fahefana, mpanao tsolotra mba hahazoana toerana ao amin’ny eglizy, ary mpijangajanga” ny Papa Aleksandra Fahenina.

Ary ny fampianaran’ireo papa? Izay nampianarin’i Petera sy Kristy ihany ve no ampianariny? Tsy nino i Petera hoe mankany an-danitra ny tsara fanahy rehetra. Hoy mihitsy izy momba an’i Davida, mpanjaka tsara fanahy: “Tsy niakatra tany an-danitra i Davida.” (Asan’ny Apostoly 2:34) Tsy nampianatra koa izy hoe tokony hatao batisa ny zazakely. Nilaza kosa izy fa olona efa avy nieritreritra tsara no atao batisa.—1 Petera 3:21.

Nampianatra i Jesosy fa tsy tokony hisy hanao ny tenany ho ambony noho ny hafa ny mpianany. Hoy izy: “Raha misy te ho voalohany, dia tsy maintsy ho farany amin’ny rehetra sy hanompo ny rehetra izy.” (Marka 9:35) Hoy koa izy tamin’ny mpanara-dia azy, taloha kelin’ny nahafatesany: “Aza mety hantsoina hoe Raby, satria iray ny mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra. Ankoatra izany, dia aza miantso na iza na iza ho rainareo eto an-tany, fa iray ny Rainareo, dia Ilay any an-danitra. Aza mety hantsoina koa hoe ‘mpitarika’ ianareo, fa iray ny Mpitarika anareo, dia i Kristy.” (Matio 23:1, 8-10) Manaraka ny fampianaran’i Petera sy Kristy ve ireo papa, araka ny hevitrao?

Misy milaza fa tokony hisy foana ny papa na dia tsy manaraka ny fitsipika takina amin’ny Kristianina aza. Mitombina ve izany araka ny hevitrao? Hoy i Jesosy: “Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra kosa mamoa voa ratsy. Tsy mety mamoa voa ratsy ny hazo tsara, ary tsy mety mamoa voa tsara ny hazo ratsy.” Raha ny zava-misy no jerena, i Petera na i Kristy ve dia hanaiky ny zavatra ataon’ireo papa?—Matio 7:17, 18, 21-23.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Momba an’i Kristy sy ny asany no nifampiresahan’i Jesosy sy Petera, fa tsy izay ho andraikitr’i Petera. (Matio 16:13-17) I Petera mihitsy aza no nilaza tatỳ aoriana fa i Jesosy ilay vato iorenan’ny fiangonana. (1 Petera 2:4-8) Nanamafy koa ny apostoly Paoly hoe tsy i Petera fa i Jesosy no “vato fehizoro” iorenan’ny fiangonana kristianina.—Efesianina 2:20.

^ feh. 14 Nilaza i Jesosy sy ny apostoly fa hisy mpivadi-pinoana hampianatra zavatra diso eo anivon’ny fiangonana. (Matio 13:24-30, 36-43; 2 Timoty 4:3; 2 Petera 2:1; 1 Jaona 2:18) Tanteraka tamin’ny taonjato faharoa izany. Nanaraka ny fombafomban’ny mpanompo sampy mantsy ny eglizy na ny fiangonana nanomboka teo, ka nampifangaro ny fampianaran’ny Baiboly sy ny filozofia grika.

[Sary, pejy 25]

Tena manahaka an’i Petera tokoa ve ny papa, raha ny zava-misy no jerena?