Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsaroany fa Vovoka Ihany Isika”

“Tsaroany fa Vovoka Ihany Isika”

Manatòna An’andriamanitra:

“Tsaroany fa Vovoka Ihany Isika”

NANAO fahadisoana ny vehivavy kristianina iray taloha. Nahatsiaro ho meloka foana izy, ka toy ny enta-mavesatra taminy izany. Hoy izy: “Tsy nino aho hoe hamela tanteraka ahy i Jehovah. Nihevitra aho fa henjehin’ny eritreritro foana mandra-pahafatiko.” Toy ny mibata enta-mavesatra tokoa ny olona enjehin’ny eritreriny. Ho maivamaivana anefa ny mpanota nibebaka, satria mampahery azy ireo ny Baiboly. Diniho ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 103:8-14.

Fantatr’i Davida fa “mamindra fo” i Jehovah, ka ‘tsy hamerimberina hanameloka antsika noho ny fahadisoantsika.’ (Andininy 8-10) Rehefa mahita antony hamindrana fo izy, dia tena mamindra fo tanteraka. Nanazava an’izany tamin’ny alalan’ny fampitahana telo i Davida, poety mahay.

“Toy ny haavon’ny lanitra raha oharina amin’ny tany ny haben’ny hatsaram-panahy feno fitiavana asehony amin’izay matahotra azy.” (Andininy 11) Tsy azon’ny saina eritreretina mihitsy ny halavitry ny lanitra amin’ny tany. Tian’i Davida ho takatsika àry fa tena mamindra fo i Jehovah, ary izany no fomba iray ampisehoany fa tia antsika foana izy. “Izay matahotra azy” àry no hamindrany fo, izany hoe izay “manetry tena sy manaja lalina ny fahefany”, araka ny tenin’ny manam-pahaizana iray.

“Toy ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana, no anesorany ny fahotantsika ho lavitra antsika.” (Andininy 12) Manao ahoana ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana? Faran’izay lavitra azo eritreretina. Hoy ny boky iray: “Alao sary an-tsaina hoe manan’elatra ianao. Manidìna lavitra arak’izay fara herinao, mankany atsinanana. Mihamanalavitra foana ny andrefana ianao isaky ny mikopak’elatra.” Te hilaza àry i Davida fa esorin’Andriamanitra any amin’ny farany lavitra indrindra azo eritreretina ny fahotantsika rehefa mamela antsika izy, izany hoe hadinoiny tanteraka.

“Toy ny iantran’ny ray ny zanany no iantran’i Jehovah an’izay matahotra azy.” (Andininy 13) Raim-pianakaviana i Davida ka fantany tsara fa mangoraka ny zanany ny ray be fitiavana, indrindra rehefa marary izy io. Manome toky antsika àry i Davida fa miantra ny zanany etỳ an-tany ilay Ray be fitiavana any an-danitra, indrindra raha mibebaka izy ireo ka ‘torotoro fo sy kivy’ noho izy ireo nanota.—Salamo 51:17.

Nolazain’i Davida avy eo ny antony mahatonga an’i Jehovah hamindra fo. Hoy izy: “Fantany tsara ny nanaovana antsika, ary tsaroany fa vovoka ihany isika.” (Andininy 14) Fantatr’i Jehovah hoe namboarina tamin’ny vovoka isika, ka manao fahadisoana sady voafetra ihany ny vitantsika. “Vonona hamela heloka” foana àry i Jehovah raha tena mibebaka isika.—Salamo 86:5.

Azo antoka fa nanohina anao ireo tenin’i Davida ireo. Vonona hamela heloka Andriamanitra, araka ny lazain’ny Baiboly. Nandinika an’izany ilay vehivavy noresahina terỳ aloha, ka nilaza mihitsy hoe: “Izao vao tena hitako fa afaka mifandray kokoa amin’i Jehovah aho. Toy ny hoe nisy enta-mavesatra be nesorina tamiko.” * Ataovy àry izay hahalalanao bebe kokoa an’io toetran’Andriamanitra io, sy izay tokony hataonao raha tianao ny hamindrany fo. Ho maivamaivana koa ianao amin’izay.

Famakiana Baiboly Amin’ny Aogositra:

Salamo 87-118

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Jereo ny toko 26 hoe “Andriamanitra ‘Mamela Heloka’ ” ao amin’ny boky Manatòna An’i Jehovah, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 13]

“Izao vao tena hitako fa afaka mifandray kokoa amin’i Jehovah aho. Toy ny hoe nisy enta-mavesatra be nesorina tamiko”