Hira

Tena tiantsika ny lovantsika ara-panahy. Izany mihitsy no resahin’ireto hira ireto.

Ny Mamy Tsy mba ho Lany

Sambatra be ianao rehefa avy manampy olona sy mampahery ny namanao.

Manomeza Voninahitra An’i Jehovah Amin’izay Rehetra Anananao

Inona no azontsika omena an’i Jehovah mba hampifaliana ny fony?

Ho Anao

Omeo an’Andriamanitra izay tsara indrindra anananao amin’izao ianao tanora izao.

Faly Aho fa Tsy Resy!

Inona no azon’ny tanora atao raha taomin’ny ankizy haditra izy any am-pianarana?

Izao no Fotoana

Hazoto hanome ho an’ny hafa, dia hitory sy hampianatra, isika raha manana toe-tsain’ny mpisava lalana.

Tsiky Iray

Tsiky iray ihany dia efa mety hahatonga ny olona hanaiky ny vaovao tsara torintsika.

Tena Harena

Manampy antsika hifandray kokoa amin’i Jehovah sy ho matotra ny fianarana samirery sy ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviana.

Vonona Handray Anao i Jehovah

Afaka manampy anao hiverina amin’i Jehovah ny fanahy masina, fa ataovy ny dingana rehetra hiverenana aminy!

Mahafinaritra erỳ ny Fivoriambe!

Rehefa manatrika fivoriambe isika dia mahita hoe mifankatia be sy miray saina ny rahalahy sy anabavy.

Omeko Anao Ilay Zanako Tsy Foiko

Malahelo be ny ray aman-dreny rehefa voatendry any an-tany lavitra ny zanany.

Aza Maika fa Fidio Tsara

Rehefa mitady vady isika dia mila manam-paharetana sy mahay mifidy tsara, fa tsy maimaika.

Alao Sary An-tsaina

Misy fiainam-baovao miandry anao ao aoriana kely ao.

Andao fa Aza Tara!

Miezaha haharaka ny fandaminan’i Jehovah!

Andao Isika Hianatra Fiteny Hafa E!

Inona ny fitahiana ho azonao raha mianatra fiteny hafa ianao?

Aza Maika Loatra!

Hihatsara ny fanompoantsika sy ny zavatra hafa ataontsika raha tsy maika loatra isika.

“Miezaha ho Tia Mandray Vahiny”

Ahoana no ampisehoanao hoe tia mandray vahiny ianao?

Isaorako Ianao

Omen’Andriamanitra fanahy masina isika hiatrehantsika olana. Te hisaotra azy amin’ity hira ity àry isika, sady matoky fa tsy hafoiny mihitsy raha tsy mivadika.

Atỳ fa Tsy Any

Ahoana no ahaizanao mifidy namana?

Safidy

Hendry isika raha mandinika tsara vao manao safidy satria misy vokany amin’ny fanompoantsika sy ny olon-kafa ny safidy ataontsika.

Andao Hifamela

Tahafo i Jehovah ka mamelà ny hafa.

Efa ao Ambadika Ao

Hahavita hiaritra isika raha misaintsaina an’ilay Paradisa ho avy.

Mianara mba Handroso Tsara

Handroso tsara ny tanora rehefa mianatra Baiboly samirery.

Ny Teninao Tsy ho Foana

Derao Andriamanitra fa narovany ho an’ny olombelona ny Teniny!

Misentoa, dia Mivavaha Kely Aloha!

Inona no azontsika atao rehefa misy olana?

Jehovah no Tiako Hitantana ny Diako

Izay tian’i Jehovah fidina.

Manampy ny Finoana

Mila miezaka isika raha te hanana finoana matanjaka ary matokia fa hotahin’i Jehovah izany ezaka izany.

Ataoko An-tsaina Foana ny Fampahatsiahivanao

Asehoy amin’ny teny sy ny atao fa tena tianao ny fampahatsiahivan’i Jehovah

Ho Tafarina Aho

Nafana fo nanompo an’i Jehovah ihany izy taloha, fa nihena izany avy eo. Jereo ato hoe inona no nahatonga azy te hiverina hivory indray.

Mahavariana Anay ny Asanao

Tombontsoa ny miara-miasa amin’i Jehovah ka ankafizo!

Tiako Be Indrỳ ry Zanako Vavy

Raim-pianakaviana mandinika ny zanany vavy mihalehibe sy lasa tia ny fahamarinana.

Misikìna Herim-po, dia Manomboha!

Ho faly foana isika raha manompo an’i Jehovah bebe kokoa, na amin’ny fomba ahoana, na amin’ny fomba ahoana.

Mba Jereo Aho!

Hararaoty ny fotoana iarahanao amin’ny rahalahy sy anabavy.

Tsara Loatra ka Hiraiko

Lasa te hidera an’i Jehovah isika rehefa mahita hoe tsara loatra ny zavaboariny.

Izay Tena Zava-dehibe

Izay tena zava-dehibe no ataovy aloha. Mivavaha, mianara, dia ny fanompoana no tanteraho tsara.

Tia, Tena Tia

Ho mafy orina ny fanambadianareo raha miaraka amin’i Jehovah foana ianareo!

Trano Iray Hiderana Anao

Voninahitra ho antsika ny mitokana toerana iray mitondra ny anaran’i Jehovah.

Matoky Anao Aho

Hahavita hiatrika ny onjam-piainana ianao raha mamaky sy misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra

Manomboka Izao dia Pejy Vaovao

Misy zavatra mba tianao ovana ve amin’ny fomba fanompoanao?

Tsy Irery Mihitsy Aho

Tsy irery mihitsy isika rehefa manana an’i Jehovah!

Tiako Ianao Satria Rahalahiko

Tsy misy mifankatia sy mifanampy hoatran’ny vahoakan’i Jehovah eran-tany.

Atrakao ny Loha

Raha kivy ianao dia tadidio fa tsy irery mihitsy ianao.

Mba Aiza?

Hahafantatra an’Andriamanitra sy ny fikasany ny olona mitady azy mafy.

Namako Ianao

Aiza no ahitana ny tena namana?

Tsy Handao Anao Aho fa ho Namanao

Na misy olana aza dia tsy handao anao mihitsy ny tena namanao.

Iray Ihany

Na ratsy toetra aza ny olona manodidina antsika, dia mifankatia sy miray saina foana isika.

Omeo Herim-po Aho

Na inona na inona fitsapana mety hitranga, dia afaka manome anao herim-po i Jehovah ka ho vitanao ny hiaritra.

Izay Tsara Indrindra no Omeko Anao

Fointsika ho an’i Jehovah ny momba antsika rehetra, satria tena mendrika an’izany izy.

Aleo Aloha ny Androany

Afaka ny ho faly sy ho tony foana isika na dia miatrika olana aza.

Mahereza fa Aza Kivy!

Hira iray tena hanampy antsika hiaritra.

Hira Iray Hisaorana An’ilay Mpamorona

Manokàna fotoana handinihana ny zavaboary, dia misaora an’i Jehovah.

Havako Ianareo!

Fianakavian’i Jehovah isika, na avy aiza na avy aiza.

Ady ny Fiainako

Afaka ny tsy hivadika amin’i Jehovah foana isika, na dia manana olana sy miady amin’ny fiainana aza.

Eo Akaikiko Foana i Jehovah

Vonona handray ny tanantsika foana i Jehovah.

Ilay Tontolo Vaovao

Ho falifaly kokoa isika raha zavatra tsara no eritreretintsika. Hanampy anao haka sary an-tsaina ny tontolo vaovao ity hira ity.

Atokako ho Anao ny Fiainako

Tia an’i Jehovah isika, ka manokan-tena sy atao batisa.

Tia Anao Foana

Ho tia antsika foana i Jehovah mandrakizay. Tena mahafaly sy manome toky ny mieritreritra an’izany.

Aza Manahy fa Lazao Azy

Rehefa kivy be ianao dia afaka mitaraina amin’i Jehovah, satria hampionona sy hampahery anao izy.

Fon’ankizy

Miezaha haneho fitiavana hoatran’ny ataon’ny ankizy.

Fa Matoky Aho...

Matoky isika fa tian’i Jehovah foana na inona na inona fisedrana iaretantsika.

Aza Asiana Tavela

Misy olona nankarary ny fonao ve? Sarotra aminao ve ny mamela an’azy? Ato misy torohevitra hanampy anao hanadio ny fonao sy hanadino an’ilay izy.

Vitao ny Hazakazakao

Diniho tsara izay hataonao raha te handresy amin’ilay hazakazaka hahazoana fiainana ianao.

Tsy Hihemotra Aho

Raha tiana hatanjaka ny finoana, dia zavatra mafy no hanorenana azy.

Ilay Tokako

Fanomezana tsara be avy amin’i Jehovah ny fanambadiana.

Ny Sainao Fefeo

Tsy hiady saina ianao rehefa ampian’i Jehovah.

Falifaly Foana

Henoy ity hira ity dia ho hitanao fa be dia be ny zavatra mahafaly antsika.

Ny Namako Eran-tany

Miray saina foana isika na be dia be aza ny fitsapana sy ny olana mitranga.

Ampiasao Hiderana An’i Jehovah ny Herinao

Ampiasao hiderana an’i Jehovah ny herinao fa tsy hanenenanao izany!

Ny Mahafaly Indrindra

Ny hoe akaiky an’i Jehovah foana no tena mahafaly antsika indrindra, na amin’izao na amin’ny hoavy.

Ho Tianao

Mifalia sahady fa efa ho avy ilay tontolo vaovao.

Anokano Fotoana i Jehovah

Be atao amin’ny fanompoana an’i Jehovah no tena mahasambatra indrindra eo amin’ny fiainana.

Satria Mino Aho

Eritrereto ilay hoavy mahafinaritra be efa nomanin’Andriamanitra ho an’ny olombelona.

Fianakavian’i Jehovah

Mbola misy mitady mafy ny fahamarinana ny olona eto amin’izao tontolo izao. Handrisika anao hitady foana ny ondry hoatran’ireny ity video ity.

Mahery Satria Tsy mba Irery

Afaka miaritra zava-tsarotra isika, satria fianakaviana iray sady ampian’i Jehovah.

Mba ho any Amin’iza Moa?

Nanokana ny androm-piainany hanompoana an’i Jehovah izy, dia tsy nivadika mihitsy fa nihaino ny feon’ilay Mpiandry azy foana.

Eo Ambany Elany Aho

Afaka ny handresy ny tahotra isika rehefa hampian’i Jehovah.

Andao Hinamana toy ny Taloha

Rehefa misy olona mampalahelo anao, dia miezaha ho lasa mpinamana indray ka avelao ny lasa homba ny lasa!

Rehefa Lavo dia Mianara

Vao mainka hatanjaka noho ny teo aloha ianao, raha mianatra amin’ny fahadisoanao.

Aza Revon’ny Androany

Afaka ny hankafy fiainana isika dieny izao sy amin’ny hoavy, ka ho falifaly sady hisy dikany ny fiainantsika!

Fiadanana Ihany Eran-tany! (Hira Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2022)

Aza mifantoka amin’ny fitsapana mahazo anao, fa ilay tena fiadanana ampanantenain’Andriamanitra ifantohana.

Manatòna An’Andriamanitra

Tena vonona hifandray amin’izay te hanatona azy Andriamanitra, na inona na inona zavatra iainany.

“Tsy ho Tara Izany”! (Hira Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2023)

Mandra-piandry an’i Jehovah, dia tahafo ny mpanompony tsy nivadika.

Mamy ny Mody

Mbola tsy tara loatra raha izao ianao no te hiverina.

Kely Vidy fa Sarobidy

Sarobidy amin’i Jehovah ny sorona ataonao, na hoatran’ny ahoana na hoatran’ny ahoana.

Fantany Tsara Aho

Hain’i Jehovah isika tsirairay sady azony tsara na ny fihetseham-po lalina tsapantsika aza.

Hiara-hihoby ny Olona Rehetra

Miadana sy miray saina isika satria manompo an’i Jehovah.

Tsy ho Voatana

Matokia an’i Jehovah, dia mitoria foana na dia matahotra aza ianao.

Ampitomboiko ny Finoako

Tsy hisalasala intsony ianao raha ampitomboinao ny finoanao.

‘Ho toy ny Renirano ny Fiadananao’

Hoatran’ny renirano ny fiadanana avy amin’i Jehovah sady mikoriana mandrakizay.

“Vaovao Tsara”! (Hira Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2024)

Efa hatramin’ny taonjato voalohany no nisy olona faly nandray anjara tamin’ilay asa lehibe indrindra, izany hoe ny fitoriana ny vaovao tsara. I Jesosy mihitsy no mitarika an’ireny mpitory ireny, ary manampy azy ireny tsirairay ny anjely.