Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faly Aho fa Tsy Resy!

Faly Aho fa Tsy Resy!

Haka:

  1. 1. Tsy mora ny andro tsirairay.

    Fitsapana no miandry ahy, no miandry ahy.

    Ka tapa-kevitra aho ny hiady,

    N’inona n’inona ho avy. Ho haiko ny hiatrika azy!

    Fa ny miomana no ilaiko,

    Mba ho vonona ny saiko.

    Hojereko dieny ’zao

    ’Zay lazaina sy hatao.

    Tsy maintsy ho mafy anefa moa,

    Ka aleo hivavaka aho aloha.

    (FIVERENANA)

    Ampio aho mba tsy ho resy,

    N’inon’inona hitranga any.

    Ampio aho mba tsy ho resy,

    Mba tsy hivadika aho androany.

  2. 2. Misy efa ampoiziko sahady,

    Fa haneso sy hanaraby, ampoiziko sahady.

    Misy tanora any an-tsekoly,

    Tsy hoe mino ny Baiboly; Mitaona ahy mba hikomy.

    Fa fantatro aho fa hotereny.

    Namana tsy tsara ireny,

    Ka holaviko avy hatrany.

    ’Zaho tsy hanaiky hanao izany.

    Manompo an’i Jehovah aho,

    Ka ’zaho tsy menatra fa sahy.

    (FIVERENANA)

    Dia faly aho fa tsy resy,

    Na mafy aza vitako ihany.

    Dia faly aho fa tsy resy.

    Nandresy aloha androany!