Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Trano Iray Hiderana Anao

Trano Iray Hiderana Anao

Haka:

  1. 1. Jehovah, ’lay Tompo Avo Indrindra,

    Ny lanitra anie tsy omby anao.

    Mainka moa raha toerana eto an-tany,

    Tsisy mendrika honenanao!

    Hiasan’ny fanahinao kosa

    ’Ty foibe nataonay ity.

    ’Ndreto izahay hanao ny asanao,

    Hiray saina, hifankatia.

    (TETEZANA)

    ’Zay rehetra atolotray

    Dia avy any aminao ihany.

    ’Zay rehetra anananay,

    Ianao no niavian’izany.

    (FIVERENANA)

    Koa misaotra indrindra, Jehovah.

    Hirainay izao hira izao,

    Fa tontosa anie ’lay nirinay:

    Trano iray hiderana anao!

  2. 2. Efa ela izahay no naniry

    Hanao trano hiderana anao,

    Sady hianaranay ny lalanao,

    Sy hanampiana ny ondrinao.

    Tahio re ’ty toerana ity mba

    Hanaovana izay sitrakao,

    Sy hanohizanay ny asanao,

    ’Zay nasain’i Kristy natao.

    (TETEZANA)

    Ary izay tsara indrindra,

    Omenay amin’ny fo;

    F’ianao no Loharano

    Mpanome zava-tsoa.

    (FIVERENANA)

    Koa misaotra indrindra, Jehovah.

    Hirainay izao hira izao,

    Fa tontosa anie ’lay nirinay:

    Trano iray hiderana anao!