Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Asiana Tavela

Aza Asiana Tavela

Haka:

  1. 1. Tantara iray, tantara taloha...

    Nefa hatram’izao mbola tsaroako,

    Satria nankarary ny foko.

    Tsy mora ho ahy ny hamadika pejy.

    Na te hamela aho, dia tsy vitako ihany.

    Nandratra ’zay nataony ahy tam’izany.

     

    Aleo aho hivavaka izao dia ’zao:

    “Jehovah ô, ny alaheloko tsapanao.

    Miangavy aho re, mba mitalaho...

    (FIVERENANA)

    Mba omeo hery

    Fa mila anao, tsy vita irery,

    Ampio! Jehovah, androany aloha

    Ampio tsy hanao am-po.

    Mba hitovy aminao:

    Rehefa mamela, tsy asiana tavela.

    Ampio! Jehovah, ampio aho moa

    Mba tena hanadino koa,

    Hanadio ny fo.”

  2. 2. ’Ndraindray anefa tsy ampoiziko akory,

    Miezaka aho fa tsaroako indray

    ’Zay ratsy efa vitany hatrizay.

    Vao mahita azy dia tezitra mafy...

    ’Lay hoe mamela anie mila mamafa,

    Manadino ’zay rehetra lasa.

     

    Aleo aho hivavaka izao dia ’zao:

    “Jehovah ô, ny alaheloko tsapanao.

    Miangavy aho re, mba mitalaho...

    (FIVERENANA)

    Mba omeo hery

    Fa mila anao, tsy vita irery,

    Ampio! Jehovah, androany aloha

    Ampio tsy hanao am-po.

    Mba hitovy aminao:

    Rehefa mamela, tsy asiana tavela.

    Ampio! Jehovah, ampio aho moa

    Mba tena hanadino koa,

    Hanadio ny fo.

    Hanadino koa,

    Hanadio ny fo.

    Hanadio ny fo.”