Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fa Matoky Aho...

Fa Matoky Aho...

Haka:

  1. 1. Tsy hay fefena,

    Tsy hay resena

    Ny hafanam-ponao hatram’izay.

    Jehovah mahita ’zay rehetra efa vita.

    Ny fiaretanao modely ho anay.

    Raha hotsaraina ianao, dia tadidio hoe:

    “Izaho tsy irery anie,

    Fa Jehovah hanaraka an’ahy eny!

    Hampiany aho hiteny.”

    (FIVERENANA)

    ‘Matoky aho fa

    Tsy hahasaraka ahy amin’i Jehovah ’zao fiainana izao na izay ho avy.

    Na ambony na ambany,

    Na hery, anjely, na fitondrana, na fahafatesana aza!’ Ka...

    Na ahoana na ahoana,

    Jehovah tia ahy foana.

  2. 2. Na dia voarara

    Ny vaovao tsara,

    Ny tsy fivadihanao

    Tsy mba lefy.

    Tsy maty vonoina ny tena finoana,

    Ny mpanampy anao, mahery tsy ho resy.

    Raha hogadraina ianao, na aiza eto an-tany,

    Dia tsy irery izany!

    Fa Jehovah hanaraka anao any,

    Hampahery hatrany.

    (FIVERENANA)

    ‘Matoky aho fa

    Tsy hahasaraka ahy amin’i Jehovah ’zao fiainana izao na izay ho avy.

    Na ambony na ambany,

    Na hery, anjely, na fitondrana, na fahafatesana aza!’ Ka...

    Na ahoana na ahoana,

    Jehovah tia ahy foana.

    Tsarovy izany... Oooh...

    (TETEZANA)

    Izay tia an’i Jehovah dia efa manampo

    Hosedraina aloha.

    Fa ny finoanao mandresy an’izao tontolo izao,

    Oh mpandresy ianao!

    (FIVERENANA)

    ‘Fa matoky aho fa