Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Sainao Fefeo

Ny Sainao Fefeo

Haka:

  1. 1. ’Zaho ’nie mba te hanao ny tsara,

    Fa ny ato am-poko misalasala;

    Tsy matoky, manahy hatrany

    Hoe ’zay vita ve ampy ihany.

    Ianao anefa efa nanoro:

    ‘Lazao ahy raha toa ny fo torotoro,

    Teneno ahy ’zay mampanahy.’

    Jehovah ô, ianao namaly ahy

    (FIVERENANA)

    Hoe: ‘Aza manahy, ny sainao fefeo,

    ’Zay tsara ihany, ’zay no jereo.’

    N’inona hiseho, ny fo mbola tony;

    Hitraka tsy ho kivy, dia tsy hanahy intsony.

  2. 2. Ianao ’nie tiako hampifaliana,

    Fa toa be loatra ny fanahiana.

    ‘Mba rahoviana izao no hisava?

    ’Zaho ve tianao lalandava?’

    Fa ’zaho anefa tsy hanaiky ho resy,

    ’Lay antenaiko tsy mba havelako ho lefy.

    Fa hataoko an-tsaina, hozaraiko.

    Matoky aho fa eo ianao, Raiko.

    (FIVERENANA)

    Ka ’zaho tsy hanahy, ny saiko hofefeko,

    ’Zay tsara ihany, ’zay no hojereko.

    N’inona hiseho, ny fo mbola tony;

    Hitraka tsy ho kivy, dia tsy hanahy intsony.

    Tsy hanahy intsony.

    (TETEZANA)

    Malahelohelo, mafy ny androany!

    Tsy hamelako raha tsy afaka izany.

    Na maizina aza ny eo anoloana,

    Ianao manome ny fiadananao foana.

    Ianao efa teo foana!

    (FIVERENANA)

    Ka ’zaho tsy hanahy, ny saiko hofefeko,

    ’Zay tsara ihany, ’zay no hojereko.

    N’inona hiseho, ny fo mbola tony;

    Hitraka tsy ho kivy, dia tsy hanahy intsony.