Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eo Akaikiko Foana i Jehovah

Eo Akaikiko Foana i Jehovah

Haka:

  1. 1. Ny foko voatsindrona antsy,

    Niondrika aho fa efa resy mantsy.

    Fa leo aho, tsy te hiaina intsony.

    Hitany aho, dia notsaboiny.

    Nomeny toky aho hoe hampiany,

    Raha vao miantso aho hovaliany

    Satria ’zaho tena tiany.

    (FIVERENANA)

    Fa Jehovah

    Teo foana nanatanjaka ahy,

    Teo foana nanampy ahy ho sahy,

    Teo foana izy niaro an’ahy.

    Tanatin’ny mangidy,

    Andry niankinako izy,

    Nanohana ahy rehefa kivy.

    Jehovah eo akaiky eo foana.

    Izay aleha

    Nasehony hoe:

    ‘Io lalana io no izory.’

    Tsy mora izany

    Fa niezahako ihany.

    Tsy very maina akory!

  2. 2. N’iza n’iza handao,

    Izy handray ka ho Rainao,

    Ary izy hanoro.

    Dia raha sendra lavo,

    Angataho ’lay mpanampy mora azo.

    Ho sahinao ny hijoro.

    (FIVERENANA)

    Fa Jehovah

    Eo foana mba ho tanjakao,

    Eo foana izy ho tokinao,

    Eo foana izy hiaro anao.

    Raha anatin’ny mangidy,

    Andry azo iankinana izy,

    Hanohana anao f’aza kivy.

    Jehovah eo akaiky eo foana.

    Eo foana, eo foana.

    Jehovah eo akaiky eo foana.

    Raha tsy hita izay haleha,

    Hasehony hoe:

    ‘Io lalana io no izory.’

    Jehovah eo akaiky eo foana.

    Miezaha hatrany,

    Mifikira ihany.

    Tsy very maina akory!

    (FIVERENANA)

    Jehovah

    Ho eo foana hanatanjaka ahy,

    Ho eo foana hanampy ahy ho sahy,

    Ho eo foana izy hiaro an’ahy.

    Raha anatin’ny mangidy,

    Andry azo iankinana izy,

    Hanohana ahy ka ’zaho tsy ho kivy.

    Jehovah eo akaiky eo foana.

    Eo foana, eo foana.

    Jehovah eo akaiky eo foana.

    Eo foana, eo foana.

    Jehovah eo akaiky eo foana.