Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Tokako

Ilay Tokako

Haka:

  1. 1. Ianao ihany

    No tokako eto an-tany.

    Matokia,

    Ny foko efa tia.

    Fa ny eo anilanao,

    Izany anie ka mamy.

    ’Reo toetranao

    Mahababo, mahatamana.

    Manohana isan’andro,

    Manaja sy manampy,

    Ka ny ato an-tokantrano

    Dia feno tambitamby.

    (FIVERENANA)

    Fa roa nitambatra ho iray,

    Fitia ho mandrakizay.

    Jehovah hanampy antsika mba tsy hangatsiaka

    Ilay fitia

  2. 2. Ianao mihaino ahy

    Raha sendra malahelo,

    Itantarako

    Izay tsiambaratelo.

    ‘Lay tsikinao mijery,

    mandrava ny ahiahy.

    Ka ianao, ianao irery

    No tiako hitantana ahy.

    (FIVERENANA)

    Fa roa nitambatra ho iray,

    Fitia ho mandrakizay

    Jehovah hanampy antsika mba tsy hangatsiaka

    Ilay fitia.

    Fa roa nitambatra ho iray,

    Fitia ho mandrakizay.

    Jehovah hanampy antsika mba tsy hangatsiaka

    Ilay fitia.

    Ilay fitia.

    Oo