Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy ho Voatana

Tsy ho Voatana

Haka:

  1. 1. Rahoviana? Kely sisa

    Dia ho avy ilay paradisa.

    Mbola maro be no tsy nandre

    Ka hiezaka aho ny hampita.

  2. 2. Matahotra anefa aho

    Fa tsy hataoko hanakana ahy

    Mba hazoto hizara ’lay vaovao tsara.

    Hivavaka aho, ho sahy.

    (FIVERENANA)

    Fa ’lay afo ao anaty

    Miredareda mafy,

    Mandoro, ka tsy ho voatana.

    Ny hafanam-po tsy ho faty,

    Hiteny tsy an-kiato

    Hizara ’lay hazavana,

    Fa tsy voatana.

  3. 3. Maneran-tany amin’izay

    No hiderantsika ny Ray.

    ’Zao aloha karohy, tadiavo, antsoy

    ’Zay vonona ny handray.

    (FIVERENANA)

    Fa ’lay afo ao anaty

    Miredareda mafy,

    Mandoro, ka tsy ho voatana.

    Ny hafanam-po tsy ho faty,

    Hiteny tsy an-kiato

    Hizara ’lay hazavana,

    Fa tsy voatana.

    (TETEZANA)

    Fotoana kely sisa, ka tsy havela hihena

    ’Lay zotom-po, tsy ho ritra, tsy ho voafefy,

    Tsy mba ho lefy.

    (FIVERENANA)

    Fa ’lay afo ao anaty

    Miredareda mafy,

    Mandoro, ka tsy ho voatana.

    Ny hafanam-po tsy ho faty,

    Hiteny tsy an-kiato

    Hizara ’lay hazavana,

    Fa tsy voatana.

    Fa tsy voatana.

    Fa tsy voatana.