Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Atỳ fa Tsy Any

Atỳ fa Tsy Any

Haka:

  1. 1. Mandalo eny aho, dia mba mijery,

    Kanefa ihany aleoko irery.

    Na ho any aza aho tsy ho tamana,

    Satria haiko ihany hoe hadalana.

    Atỳ kosa aho tena afa-po,

    Mahazo namana mahasoa,

    ’Zay mampahery, tsy misy ahiahy.

    Atỳ no tena tiako hisy ahy.

    (FIVERENANA)

    Izay no ato am-poko,

    Izay no inoako.

    Jehovah, ianao ihany

    No nanoro izany,

    Ka niantso hoe: ‘Atỳ fa tsy any.’

  2. 2. Tsy hiova intsony ny ato an-tsaiko.

    Matoky aho fa izao no ilaiko.

    Mitarika ahy ny Teninao,

    Manoro an’ahy hoe ’zao atao.

    Dia faly aho ’zao mahatsiaro hoe tiana,

    Fa nomenao fianakaviana.

    Tsy hoe mandalo fa tena hitohy,

    Mpinamana tsy hifankafoy.

    (FIVERENANA)

    Izay no ato am-poko,

    Izay no inoako.

    Jehovah, ianao ihany

    No nanoro izany,

    Ka niantso hoe: ‘Atỳ fa tsy any.’