Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aleo Aloha ny Androany

Aleo Aloha ny Androany

Haka:

  1. 1. Tontolo tsisy fijaliana, tany paradisa.

    Efa ela aho no nahalala fa... fa efa kely sisa.

    Fa tebiteby ny isan’andro,

    Dia takona any ’lay masoandro,

    Ka manontany hoe: ‘Aiza foana? Ela loatra ilay fotoana!’

    Fa Jehovah anie eo foana.

    (FIVERENANA)

    Koa mivavaka aho, am’ny fo.

    Raha toa ka mihena ny finoana,

    Izy foana no antsoina.

    Fa izy anie no vatolampy.

    Ny Teniny eo hampahery,

    Dia ’reo namana hanampy.

    Koa miezaha mba tsy hanahy izay ampitso.

    Fa izay mitranga androany,

    ’Zay no atreho, dia aleo izay ihany.

    Fafao ny tomany.

    Aleo ’loha ny androany.

  2. 2. ’Zay zavatra mahafaly anie

    Dia maro hotanisaina.

    Dia ’zay ihany no ifantohy

    Na dia mafy izay sedraina.

    Fa Jehovah tena tia,

    Nomeny anao ’zay tsara indrindra.

    Ny zanany aza no nafoiny.

    Matokia azy dia ho tony.

    Aza manahy intsony.

    (FIVERENANA)

    Mivavaha am’ny fo.

    Raha toa ka mihena ny finoana,

    Izy foana no antsoina.

    Fa izy anie no vatolampy.

    Ny Teniny eo hampahery,

    Dia ’reo namana hanampy.

    Koa miezaha mba tsy hanahy izay ampitso.

    F’izay mitranga androany,

    ’Zay no atreho, dia aleo izay ihany.

    Fafao ny tomany.

    Aleo ’loha ny androany.

    (FIVERENANA)

    Mivavaha am’ny fo.

    Raha toa ka mihena ny finoana,

    Izy foana no antsoina.

    Fa izy anie no vatolampy.

    Ny Teniny eo hampahery,

    Dia ’reo namana hanampy.

    Koa miezaha mba tsy hanahy izay ampitso.

    F’izay mitranga androany,

    ’Zay no atreho, dia aleo izay ihany.

    Fafao ny tomany.

    Aleo ’loha ny androany.

    Aleo ’loha ny androany.