Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mba Aiza?

Mba Aiza?

Haka:

  1. 1. Efa ela ihany no nanontany:

    Ny marina aiza no misy azy?

    Efa voatety avokoa, nefa aiza moa?

    Toa vao mainka maloka aza!

     

    Ny hazavana anefa tsy maintsy hiantefa.

    Ny marina hiseho foana rehefa handeha ny fotoana.

    (FIVERENANA)

    Ny foko aloha manantena

    Hahita ilay harena;

    Dia mba hitony, tsy hiady saina.

    Na tsy maintsy hikely aina, tsy ho kivy aloha fa mbola hitady hatrany hatrany.

    Ho hita io ’ndray andro any!

  2. 2. Fahalalana kely, mamy toa tantely,

    ’Lay hoe Jehovah no Ray nahary.

    Toy ny vatosoa nahafaly ny fo

    Ny hazavana niharihary.

     

    Feno toky aho ’zao; Haiko izay hatao.

    Efa hita izay hinoana: Jehovah no mila antsoina.

    (FIVERENANA)

    Ny foko efa nanantena.

    ’Zao hita ilay harena;

    Dia mba mitony, tsy miady saina,

    Satria tsy very maina izay rehetra natao, fa mbola nitady hatrany.

    Dia nahita ihany!

    (TETEZANA)

    Ny hafa indray ’zao no mitady ilay vaovao tsara.

    Dia ’zaho ’ndray ve no ho tia tena?

    ’Zaho ’ndeha hitory, vonona aho hizara,

    F’izy ireo mila vonjena,

    Sy hahita ilay harena.

    (FIVERENANA)

    Ny fony izao manantena

    Hahita ilay harena;

    Dia mba hitony, tsy hiady saina.

    F’izy anie mikely aina. Tsy ho kivy fa mbola mitady hatrany hatrany.

    Dia hahita ihany!