Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Namako Eran-tany

Ny Namako Eran-tany

Haka:

  1. 1. Tafiotra sa tadio ve

    No miady amintsika?

    Efa hatram’izay anie

    ‘Reo fahavalo no nasiaka.

    Nefa isika tsy hamoy fo,

    Dia tsy ho kivy velively;

    Fa Jehovah hanohana antsika,

    N’inona fiadiana hamely.

    (FIVERENANA)

    N’aiza ianao, tsy miady irery;

    Ny namanao, maneran-tany.

    Dia Jehovah Ray Mahery

    No hampitraka antsika hatrany.

    ’Sika anie tsy ho resy ‘zany!

  2. 2. Jehovah efa nilaza

    Fa hitondra famonjena.

    Sady izy no Avo Indrindra,

    Ho fialofana, ho fierena.

    Dia antsoiny hoe olony isika;

    Tena tiany ka tsy hariany.

    Ny fanahiny omeny hampahery

    ‘Reo vahoaka nofidiny.

    (FIVERENANA)

    N’aiza isika tsy irery;

    Ny namantsika, eran-tany.

    Dia Jehovah Ray Mahery

    No hampitraka antsika hatrany.

    (TETEZANA)

    Hiara-hijoro isika,

    Tsy hatahotra fahavalo.

    Ny fontsika feno toky...

    Manana Ray tena miaro.

    (FIVERENANA)

    Izahay tsy miady irery;

    Ny namanay, maneran-tany.

    Dia Jehovah Ray Mahery

    No hampitraka anay hatrany.

    Fandresena no hiafarany!