Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahafinaritra erỳ ny Fivoriambe!

Mahafinaritra erỳ ny Fivoriambe!

Haka:

  1. 1. Ho alefa izao ny mozika, efa eto aho.

    Toa efa tsy andry e! Toa tsy andriko izy izany!

    Jereo ’nge ’tsika milamina tsara.

    Dia mbola hafa e! Mbola hafa ihany!

    (FIVERENANA)

    N’iza n’iza io, dia rahavavy sy anadahiko foana.

    Tena tiako ianao na hoe vao izao isika vao mihaona.

  2. 2. Vahoaka be sady mahavariana. Loko samihafa.

    Tsisy olom-pantatro hatreto aloha, kanefa

    Fianakaviako ’reo, fa tsy olon-kafa!

    Dia eo aloha kopa-tanana indray,

    Sady toa tsy ho lany.

    Mafanafana any anatiko any

    Ka raha mitohy izao, tomany ihany.

    (FIVERENANA)

    N’iza n’iza io, dia rahavavy sy anadahiko foana.

    Tena tiako ianao na hoe vao izao isika vao mihaona.

    N’iza n’iza io, dia rahavavy sy anadahiko foana.

    Tena tiako ianao na hoe vao izao isika vao mihaona.

    (TETEZANA)

    Ny tanako fihino.

    Miady mafy isika izao.

    ’Ndao samy hijoro,

    Ka hiandry ilay tontolo vaovao.